Raha atao indray mijery, misy fifanoherana ny fahitana ny Malagasy manoloana ny tahiry ananany. Ao ireo saro-piaro fatratra. Tsy vitsy koa ireo manao tsinontsinona azy ireny. Fa ao koa ireo saro-piaro tapany.
Ankoatra ireo potika na very na tsy fantatra, noho ny antony samihafa. Manana tahiry maro ny Malagasy. Miainga eo amin’ny ankohonana mipaka hatrany amin’ny firenena. Tsy foin’ny raim-pianakaviana, ohatra, ny tehiny satria iny no nentin’ny rainy nampita hafatra maro ho azy. Tsy foin’ny mpiara-monina ary maha saro-piaro azy ireo ny tokotanibe, satria, io no nahafahany nitaiza sy nanabe ny taranany ho tonga olom-banona… Ilay hasarotam-piaro, anefa, tsy miseho raha tsy sanatria misy manohintohina ny tahiry. Misy maka ny tokotanibe, izay vao mitsangana sy milaza fa tsy azo ampiasaina io. Saro-piaro tapany ny Malagasy.
Any Italie, na misy na tsy misy manohina na manaitra. Saro-piaro amin’ny tahiry sy vakoka ao amin’ny faritra misy azy ny Italianina. Saika ahitana tsangambato mirakitra ny tantaran’ilay toerana na kianja na ireo olo-malaza sy nahavita be ny sakelidalana rehetra. Ny fahitana sy famakiana izay voarakitra ao amin’ireny no mandranitra indray ny fitiavan-dry zareo ny momba azy. Faritra maro any Malezia no miaro fatratra ny taranany, ny tantarany, ny fombany, ny finoany, sns, tsy ho simbain’ny vahiny. Nanjary mahalala ny tena maha izy azy ny fara aman-dimby ka saro-piaro amin’izany. Ny an’ny Malagasy sasany, tsy mampaninona azy ny fisian’ny taranany viravirain’ny vahiny.
Manana ny maha izy azy, hono, ny Malagasy ka tokony ho saro-piaro amin’izany. Mijanona hatreo ihany anefa. Toerana manan-kasina maro no nananan’ny Malagasy fahiny, saingy, noho ny hasarotam-piaro tapany, mora ho an’ny vahiny ny nametaveta azy ireny.
Vao any amin’ny fahazazany ny taranaka no efa mila tezaina ahafantatra ny momba azy. Fohazina amin’ny alalan’ ny fitaizana sy fanabeazana izany mba hahatonga azy ho saro-piaro.
HaRy Razafindrakoto