Ho fihatrehana ireo fifanintsanana iraisam-pirenena maro, hampivondrona ireo mpikatroka ny Federasiona malagasin’ny taranja tolona (FML), tarihin-dRaveloson Mamitiana. Nambaran’ity lehiben’ny federasiona ity, ny alakamisy lasa teo, tetsy Mahamasina fa hatao eny Ampefiloha, manomboka anio, ny fanomanana ny ekipa nasionaly. Ireo atleta zandriny nahazo ny laharana roa na telo voalohany isan-tsokajy tamin’ny fifaninanam-pirenena 2024 lasa teo no miatrika izany.
Zava-dehibe tokoa ity hetsika ity satria, manana vina ny handray anjara amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, hatao ny volana marsa ho avy izao, any Casa Blanca Maroc, ny Federasiona. Tsiahivina fa raha tsara ny vokatra ho an’ny Malagasy mandritra io fifanintsanana afrikanina io, miatrika ny lalao maneran-tany i Madagasikara. Hotontosaina any Zagreb Croatie, ny volana septambra ho avy io izany. Ankoatra izay, hiatrika ny hetsika ara-panatanjahantena ho an’ireo firenena miteny frantsay, « Jeux de la Francophonie », hanomboka ny volana jona, any Lomé Togo, ireo ekipam-pirenena malagasy ireo.
Hiezaka hampivelatra ny taranja tolona eny amin’ny fasika ny FML amin’ity taona 2025 ity, raha tsy misy ny fiovana, hisy ny fitetezam-paritra hataon’izy ireo mahakasika izany.
F.R