TARATRY ny KANTO

Mbola be mpanjifa ny boky Malagasy. Porofon’ iza­ny, anisan’ireo nahalafosana be indrindra tamin’ny taona 2024 ny Ny Valamparian’i Bebe (Hobiana Andriani­merina), Amboarana angano (arikaomsa Randria) ary ny Fahalalam-pomba, fahaiza-miaina (Rakotoanosy Marie Michèle), raha araka ny fanisana nataon’ny Edi­tions Jeunes Malgaches. Mbola misy amidy avokoa ireto boky ireto, miaraka amin’ny endriny fihaino.
Hifampiarahaba noho ny taom-baovao ny tarika Mage 4 sy ireo mpankafy azy. Tsy fampisehoana indray ity indray mitoraka ity, fa fiarahana mitsangatsangana, eny Alasora Tsilazaina, ny alahady 16 febroary. Amin’ny 8 ora mariana ny fiaingana eo amin’ny Kianja Barea Mahama­sina, ka miara-mihazo ny toerana ireo mpankafy Mage 4 te hifanerasera akaiky amin’ny tarika, amin’io fotoana io.
Hanamarika ny faha-25 taonany an-tsehatra i Lôla. Nivoaka omaly ny vaovao: “The best celebration”, hotontosaina ny 30 marsa izao, ao Antsahamanitra. Fampisehoana goavana homanin’i Lôla, hanamarihany ny fiverenany eo amin’ny sehatra goavana izany. Efa re siosio fa hasainy manokana amin’io avokoa ireo namany niara-niasa taminy nandritra izay 25 taona izay.
“Kalon’ny fahiny sy omaly”, hampanembonembona ireo Malagasy monina ao La Réunion. Hamerina ireo hiran’ny omaly sy kalon’ny fahiny ireo mpanakanto malagasy monina any an-toerana, toa an’i Sitraka sy ny tariny, rahampitso alahady 2 febroary, manomboka amin’ny 1 ora. Tsy ny hira sy ny mozika ihany, fa natao hampanembona ny tanindrazana ihany koa ny sakafo homanina sy haroso amin’io fotoana io.

Partager sur: