Efa-dahy vao nivoaka ny fonja tratra nanendaka tao Mandritsara, ny alarobia 29 janoary teo. Tsy vaovao tamin’ilay voaroba avokoa ny endrik’ireo olon-dratsy ka noraisim-potsiny tany amin’ny trano fonenany izy ireo. Nivoaka ny fonja vao roa herinandro lasa ireo olona voasambotra ireto.
Fito lahy mpanendaka sady mpanao hala-boty naiditra am-ponja vonjimaika tao Ambositra, ny alakamisy 30 janoary teo. Mitety tsena, mangarom-paosy ireto andian-jatovo ireto fa izao voasambotra izao.
Naratra niharan’ny daroka ny mpangalatra moto voasambotry ny fokonolona tao Toamasina, ny 29 janoary teo. Natosik’io lehilahy io ny moto ka tra-tehaky ny tsara sitrapo sy ny zandary tao Tanambao V izy. Nanampatra ny hatezerany tamin’ny alalan’ny vono ny tompon’ny moto.
Efa tonga ao Ambovombe omaly ireo olona 53 tamin’ireo mpanjono fefika an-dranomasina, tany amin’ny manodidina ny Faritra Anôsy. Aterina any amin’ny toeram-ponenany avy any amin’ny kaominina Ambazoa sy Erada izy rehetra ireo. Mbola mitohy hatrany ny fitaterana ireo olona tavela any.