VAOVAO TAMBATRA

Mahaliana ny espaniola ny any Nosy Be. Nandray anjara tamin’ny hetsika « Salon Futur 2025 » tany Madrid Espagne ny Ofisim-paritry ny fizahantany Nosy Be (ORTNB), ny 22-26 janoary teo. Nanokatra lalana ho an’ny fizahantany eto Madagasikara ity hetsika ity, indrindra ny any Nosy Be. Isan’ireo firenena 15 mpandefa mpizahatany aty amintsika i Espagne.
Andro maneran-tany ho an’ny Faritra mando ny 2 febroary. Hotontosaina eny amin’ny farihin’i Mandroseza, ny 3 febroary, kosa ny eto Madagasikara. Misy ny fanasokajiana iraisam-pirenena Ramsar ho ao anaty Faritra mando, toy ny eny amin’ny farihy Tsarasaotra, ny any Torotorofotsy, Alaotra, Kinkony, sns.
Am-perin’asa tanteraka ny Task Force Riz ao amin’ny faritra Itasy. Nampahafantarina ireo mpikambana ny lalan-tsaina hitondrana ny paikady hanatanterahana ny asa sy ireo vina fohy sy lavitr’ezaka momba ny vidim-bary. Mangarahara ny firafitry ny vidim-bary any an-toerana ary mivory isan-kerinandro ny Task Force Riz mandamina ny asa atao.
Faly sahirana ny tantsaha taorian’ny oram-be omaly. Miantoka ny fampiroboroboan’ny vokatra ny orana saingy tara izany tamin’ity taona ity ka ahina hiantraika amin’ny famokarana indrindra ny voly vary. Na izany, samy miandrandra ny hitohizan’ny rotsakorana ny mpamboly hahafahany mamokatra.

Partager sur: