FANTINA sy FINTINA

Nilaza ny hanova ny fomba fiasa sy ny fanoherana ny eo anivon’ny Tim, araka ny nambaran’ny filoha nasionaliny, Ravalomanana Marc teny Avaradrano, ny sabotsy teo. Hiainga eny ifotony izany fanovana izany. Nambarany hatrany fa tsy nifanaraka tamin’ ireo mpitondra ireo ny tenany.
Nirava maina indray ny fihaonana nokasain’ ny HPM sy ireo fiarahamonim-pirenena ary sendika sy antoko politika, tetsy amin’ny Motel Anosy, ny afakomaly teo. Efa niatrana vao maraina teny an-toerana ny zandary nanakana azy ireo. Efa voafandrika mialoha sy naloa vola anefa ity hotely ity saingy izao tsy afaka nandray ireo mpivory izao indray.
Samy tsy fahombiazana no azon’ny mpitondra sy ny mpanohitra tao anatin’ny 16 taona, araka ny nambaran’ny mpitarika ny Fivoi, ny depiote Rajerison Antoine, ny herinandro teo. “Ny mpitondra tsy nahavita nampandroso ary ny mpanohitra tsy nahavita naka fahefana”, hoy izy. Manahy koa ny tenany fa ho resabe fotsiny ny ho fihaonan’ny samy mpanohitra.
Ray mpiahy ny Ifi, manomboka izao ny filoha lefitry ny Antenimierampirenena, Andriamananoro Augustin. “Tsy hiamboho adidy amin’izany aho ary ho mpitondra teny sy tetezana any amin’ireo ambaratonga samihafa”, hoy izy tetsy Antanimena, ny sabotsy teo. Tsiahivina fa nodimandry tamin’ny taon-dasa ny ray mpiahy ny Ifi, Ramanambintana Richard.

Partager sur: