Nahafefika tanàna maro tao amin’ny faritra Atsimo Andrefana ny fandalovan’ilay rivodoza Dikeledi tany amin’ny tapany atsimon’ny Nosy. Avy hatrany ny fitondram-panjakana dia naniraka ny minisitry ny Mponina sy ny firaisankina, Razafinjato Aurélie, namangy ireo olona traboina. Tonga tao an-tampon-tanànan’i Toliara sy ny distrikan’i Morombe ireo iraka izay nitondra vary sy menaka ary voamaina. Hiatrehana ny fiainana andavanandro vonjimaika aloha izany.
Tao Toliara I, ireo tokantrano traboina eny amin’ny toby fialofana no nitondrana tolo-tanana toy ny tao amin’ny toby Ambohitsabo izay nahitana tokantrano miisa 461, toby Antaninarenina misy tokantrano 648, toby Andaboly misy tokantrano 736, toby FLM Soamasoandro misy tokantrano 156 ary fokontany Ankiembe, Mahavatse misy tokantrano 750.
Tao amin’ny distrikan’ny Morombe kosa tokantrano traboina 148 no nahazo tan-tsoroka. Amin’ny maha tanàna amoron-dranomasina an’i Morombe, fanirian’ny mponina ao an-toerana ny hanana fitaovana entina miatrika ny fiakaran’ny rano toy izao.
Tatiana A