Fifanintsanana Afrobasket 2025: Hanomboka anio ny fampivondronana ny Ankoay

Nifarana ny sabotsy teo, ny kotrana sy ny fanazaran-tena nataon’ny Malagasy mpilalao mandrafitra ny Ankoay, lehilahy, ho fanomanana ny dingana faran’ny fifanintsanana amin’ny « Afrobasket 2025 ». Fanazaran-tena natao teny Imerikasinina sy teny Mahamasina. Nisy mihitsy ny fandaharam-potoana narahan’ireo mpilalao tamin’izany. Hihamatotra izany fanazaran-tena izany, manomboka anio, ka hivondrona eny amin’ny Cnaps Vontovorona izy ireo. Voakasika amin’izany ireo mpilalao avy eto an-toerana. Andrasana kosa ny fahatongavan’ireo mpilalao mpilaravinahitra any ivelany hanatevin-daharana ny Ankoay.
Tsiahivina, fanamafisana ny tanjaka sy ara-batana no tena nataon’ireto ekipa nasionaly ireto, ny herinandro lasa teo. Hiditra bebekokoa amin’ny lafiny teknika sy taktika eny ambony kianja kosa izy ireo manomboka amin’ity herinandro ity, raha ny fanazavan’ny mpanazatra azy ireo. Fotoana ihany koa izao, hijerena akaiky ny fahaizana miaraka ho an’ireo mpilalao ary hanitsiana izay mety ho lesoka mba hahazoana vokatra tsara amin’io fifaninanana goavana miandry io. Raha hiverenana ny mahakasika ny fandaharan-dalao, ny ekipan’ny Côte d’Ivoire no hifanandrina voalohany amin’i Madagasikara, ny 21 febroary izao. Ny ekipan’i Ejipta kosa no mpifanandrina amin’ny andro faharoa raha ny Centrafrique no miandry an’i Madagasikara amin’ny andro fahatelo. Izay ekipa 3 voalohany no hahazo ny tapakila hiatrehana ny « Afrobasket 2025 ».

Mi.Raz

Partager sur: