Judo- « Grand Slam 2025 »: Samy resy tamin’ny fihodinana voalohany i Laura sy i Lova

Nifarana omaly alahady, ny fifaninanana « Grand Slam de Paris », taranja Judo, notanterahina tao amin’ny Arènes de Bercy, tany Paris. Tsy nahomby ny solontena malagasy.
Omaly no niakatra tatami ny solontena malagasy, Rasoanaivo Razafy Laura (-70kg) sy Randrianasolo Lova Mahaisoa (-81 kg), tao anatin’ ny fifaninanana « Grand Slam de Paris ». Teo amin’ny ampaha-32n-dalana no nanomboka ny fifaninanana, ka samy resy teo amin’io fihodinana voalohany io avokoa izy mianadahy. Ho an-dRasoanaivo Razafy Laura, judokas kalaza avy any Etazonia, i Myers Melissa no avy hatrany dia niandry azy, teo amin’ny ady voalohany natrehany. Na dia teo aza anefa ny maha kalaza ity mpifanandrina tamin’i Laura ity, nitovitovy ihany ny traikefa ary mbola resin’i Laura aza izy, raha ny filaharana maneran-tany no jerena satria faha-65 maneran-tany eo amin’ny sokajy -70kg, i Myers Melissa, raha toa ka faha-40 maneran-tany kosa Rasoanaivo Laura. Teo amin’ny teknika no somary nilatsaka i Laura ka resin’i Myers Melissa (1-0) rehefa niady mafy. Tsiahivina fa efa fanindroany izao no nandray anjara tamin’ny « Grand Slam » ity judokas malagasy ity ary teo amin’ny fihodinana voalohany ihany izy no resy tamin’ny fandraisana anjarany voalohany, ny taona 2024.
Ho an-dRandrianasolo Lova Mahaisoa kosa, ilay teratany Breziliana, i Almeida Luan, no nifanandrina taminy teo amin’ny fifanintsanana voalohany ary tena hita fa nanatombo ity breziliana ity, na vatana na herijika. Na izany aza niezaka nanohitra ihany i Lova saingy resy (2-0) ka raraka tsy afaka nanohy ny fifaninanana intsony. Efa fanindroany ihany koa, Randrianasolo Lova Mahaisoa izao no nandray anjara tamin’ny « Grand Slam ». Marihana fa efa tafiditra amin’ny fanangonana isa hahazoana ny tapakilan’ny Lalao Olympika 2028 sahady iny « Grand Slam de Paris » iny ho an’i Laura.
Tsy mbola tapitra hatreo ny fandaharam-potoanan’i Laura sy i Lova any Paris, fa hiatrika avy hatrany ny fanazaran-tena lehibe hiarahana amin’ireo judokas kalaza ma­neran-tany izy ireo manomboka anio, ao amin’ny « Institut National de Judo ».

Mi.Raz

Partager sur: