Taranja iray azo lazaina fa mahavory ny Malagasy maro ny lalao rugby. Nilaza Rakotoniaina Mbola Lalaina Joel, mpitaiza ankizy ao amin’ny AJS sady mpilalao ao amin’ny 3FB, omaly, fa manana ny fahaizany ireo ankizy sy tanora eny amin’ny fokontany na ny kartie. Manoloana izany indrindra no nikarakaran’izy ireo fifaninanana, izay natao ho an’ireo klioba isakin’ny fokontany. “Tanjona amin’ity hetsika ity ny hiakaran’ireo mpilalao any amin’ny sehatra ambony kokoa”, hoy i Mbola Lalaina Joel. Nahatratra 14 teo ny isan’ny ekipa mpandray anjara. Anisan’izany ny AJS Mada, ny ER2A Antsahamamy, RC BM Antanimora, EDR Ankamasoa, EDR Andavamamba sy ny JSTM Tsiadana ary ny TMM Miandrarivo.
Tsy nijanona ho an’ny lehilahy ihany anefa ny fihaonana, fa tao ihany koa ireo vehivavy mpanao Rugby. Nohamafisiny fa maro ireo klioba Rugby, eny amin’ny boriboritany faharoa (Tana II), izay amin’ny alalan’itony fifanintsanana itony no ezahina hampahafantarina ny rehetra azy.
“Fanirianay ny mba hisian’ny ekipa iray avy eto amin’ny Tana II, hifanintsana any amin’ny TOP 12 eto Madagasikara”, hoy ihany izy. Notsiahivin’ity mpanabe ity, fa saika ireo mpanao rugby eny amin’ny kartie avokoa no misongadina amin’ny fifaninanana nasionaly ankehitriny. “ Rehefa mamiratra aty amin’ny kartie ireo mpilalao, hita fa miakatra hatrany ny traikefany rehefa any amin’ny sehatra matihanina”, raha ny hevitr’i Mbola.
Tsy misetrasetra ny rugby
Raha ny fanazavana nataon’ity mpiantsehatra amin’ny rugby ity, lalao iray mampiasa vatana sy saina tanteraka ny taranja baolina lavalava. Nambarany fa mifampiankina tanteraka ireo, ary ity lalao ity no azo lazaina fa ahitana fifandonana ara-batana betsaka indrindra saingy tsy natao hisetrasetrana izany.
“Rehefa hilalao Rugby ianao, tokony hanomana ny vatana ho mafy ary ny saina ho vonona. Mahafinaritra ny milalao azy, rehefa voafehinao ireo rehetra ireo.” Raha ny nolazain’i Mbola.
Manentana ireo ankizy sy tanora izy ireo mba hanao fanatanjahantena fa tsy hirona amin’ny zava-mahadomelina.
Manatsara ny endrika ivelany…
Taranja iray lalaovin’ ireo olona manana ny hajany any ivelany, ny taranja Rugby. Maro amin’ireo olona eny amin’ny fiarahamonina anefa no manana fijery hafa sy manaratsy ireo mpankafy sy ny mpijery ary mpilalao ny baolina lavalava. Nomarihan’ity mpitaiza ankizy ao amin’ny AJS ity, fa tsy marina ny filazana fa mandray zava-mahadomelina avokoa ny mpiantsehatra amin’ny ny taranja rugby.
“Miezaka manatsara ny fomba fijerin’ireo olona ivelany izao ny sekoly sy ny mpitaiza rehetra, amin’izao fotoana izao. Ary natao hitaizana ny maha olon’ny fiarahamonina ihany koa izy ity fa tsy mijanona ho fanatanjahantena ihany”. Fenehoan-kevitr’i Mbola Lalaina Joel
Olana
Mbola miteraka sakana tsy hafahan’ireo klioba maro mivelatra tanteraka amin’ity taranja ity, ny resaka ara-bola sy ny ara-batana. Raha eo amin’ny resaka vola, saika ireo mpanazatra sy teknisianina maro eto an-toerana no milaza fa manana olana mahakasika izany. Io singa iray io no tsy hahafahan’ireo ekipa misongadina rehefa misy ny fifanintsanana.
Matetika tsy ampy ireo mpilalao miatrika fanazaran-tena. Satria, maro amin’izy ireo no miasa amin’ny orinasa tsy miankina fa tsy mivelona amin’ilay klioba. Marihana fa ireo ekipa manam-bola avokoa no manana vokatra tsara, amin’izao fotoana izao. Satria, mampiakatra ny moralin’ny mpilalaon’izy ireo ny tambin-karama azo isaky ny lalao izay hatao.
Ankoatra izay, ny vatana ihany koa no tena hita lesoka iray mbola handresen’ireo firenena hafa an’i Madagasikara. Milaza ireo mpanazatra klioba eto Madagasikara fa kinga saina sy mailaka ary manana teknika avo ny Malagasy. Saingy, ireo ihany no lavaka tsy hahafahana mitsambikina any amin’ny ambony kokoa.
Nanatontosa : Fitia Randria