“Slaid the night Nix” : Nampiaina ilay revy Metallica

Tsara tsodrano, sady nahavita tsara! Afaka mireharaha ny tarika Slaid sy ny Nix Band, fa nahavita nampiaina tsara ilay revy Metallica, tamin’ny alalan’ilay seho “Slaid the night Nix”, izay notontosaina ny alin’ny sabotsy teo, teny amin’ny Kudeta, Carlton Anosy. “Tsy mitsanga-menatra ny mpanakanto Malagasy”, hoy ny nambaran’i Doc Metaly, anisan’ireo nanentana ny fotoana.
Hira 40 mahery, sangansan’ny tarika Metallica no nofantenan’ireo tarika malagasy roa. Mafy ny tsindry noho ny laza tsy maintsy hajaina, kanefa nahavita izay nandrasana taminy izy ireo. Na ny tarika Metallica izay tena tompon’ny hira aza, niandry sy manantena akony tsara amin’ny Slaid sy ny Nix Band.
Tsiahivina fa tsy hatao fahatany ny fanovana ny hiran’ny tarika Metallica, na dia mpankafy aza. Nahazo fankasitrahana hanatontosa izany kosa anefa ny Slaid sy ny Nix Band, ary nivoaka tamin’ny tranonkala ofisialin’ny tarika Metallica mihi­tsy izany. Miandry ny fotoana manaraka ireo mpankafy.

Zo ny Aina

Partager sur: