Toetr’andro: Hiditra an-tanety rahampitso ilay rivodoza

Efa mampihomana sahady ny fiantraikan’ilay andro ratsy ao amin’ny ranomasimbe Indianina ny mpamantatra ny toetry ny andro etsy Ampan­drianomby. Tombanana hipaka any amin’ny morontsiraka afovoany atsinanan’i Madaga­sikara izy io, rahampitso.
Omaly tolakandro, tany amin’ny 730km atsinanana somary atsimo atsinanan’i Toamasina no nisy ny foiben’ilay andro ratsy. 55km isan’ora ny rivotra entiny. Mikisaka miankandrefana izy amin’ny hafainganam-pandeha 20 km isan’ora. Mitombo hery hatrany izy ka heverina hivadika ho rivodoza, anio maraina.
Tombanana hiditra an-tanety eo anelanelan’i Ma­roantsetra sy i Mahanoro ity rivodoza ity, rahampitso, amin’ ny tanjaka mahery vaika (ta­fiotra 12à km isan’ora)
Mampihatra ny fampilazana loza manambana miloko mavo ny ao Ambatosoa, Ana­lanjirofo, Atsinanana ary An­talaha. Fanairana miloko maitso kosa ho an’Alaotra Man­goro sy Mandritsara ary Be­fandriana Avaratra.
Io andro ratsy io, araka izany, no hamaritra ny toetry ny andro any amin’ny faritra Avaratra-Atsinanana sy Afo­voany Atsinanan’ny Nosy. Ho betsaka ny rotsakorana any amin’ireo toerana izay handalovan’ity faritra andro ratsy ity. Hanoram-baratra kosa any amin’ny faritra hafa. Hison­gadina ny fidinan’ny maripana ambony any amin’ny ilany afovoany atsinanana, avaratra-atsinanana, avaratra, avaratra andrefana ary ny afovoan-tany.

Tatiana A

Partager sur: