Nahitsy ny fifanarahana solika eo amin’ny Fanjakana, ny Jirama ary ny Jovena. Voakasik’izany ny famatsian’ny Jovena solika menaka mavesatra HFO ny orinasa Jirama, mandritra ny 3 volana (janoary –marsa 2025). Tanjona ny hiantohana ny famatsiana solika ny Jirama tsy ho tapaka mihitsy. Tombanana ho 12 000 m3 ny fandaniana solika amin’ny famokarana herinaratra, fa natao 15 000 m3 mba hananana tahiry hiatrehana ny tampoka.
Nahazo fampindramam-bola avy amin’ny Bad ny vondrona Axian Telecom, nankatoavina ny 25 janoary teo. Mitotaly 160 tapitrisa dolara izany hanafainganana ny fampiasana ny teknolojia niomerika aty Afrika. Mahatratra 10 tapitrisa dolara ny ho hampiasaina ho an’i Madagasikara, ka miisa 22 000 ny mpandraharaha vehivavy malagasy ho tohanana amin’ny alalan’ny MVola, sampana orinasa an’ny Axian.
Misy ny paikady hisarihana mpizahatany koreana tatsimo, ho avy aty Madagasikara. Hiara-kiasa hampahafantarana bebe kokoa an’i Madagasikara ny firenena roa tonta. Vonona handefa matihanina amin’ny tambajotran-tserasera i Korea, ho avy eto amintsika, hijery ifotony ny zava-mahaliana sy mampiavaka an’i Madagasikara. Handray anjara amin’ny hetsika momba ny fizahantany sy ny asa tanana koa i Korea.