Velon-taraina noho ny hafitsoky ny olon-tokona milaza azy ho mahitahita ny mponina ao amin’ny fokontany Mangaroa, kaominina ambanivohitra Ankijabe, distrikan’Ambato Boeny. Mpitsabo iray napetraka tao amin’ny tany misy trano no tsy mety miala fa mibodo tanteraka izany ankehitriny. “Nangataka ny sojabe sy ny sefo fokontany tamin’izany fotoana io mpitsabo io mba hametrahana azy teo amin’ny trano”, hoy Randriamantsoa Seta, misoratra ara-dalàna amin’ny trano. Lovan’izy ireo tamin’ny ray aman-dreniny rahateo io tany sy trano voalaza io. Mihenjan-droa anefa amin’izao fotoana ny tady. Tsy mety miala amin’ny trano izay natao hipetrahany mandritra ny fanatanterahany ny fotoam-piasany ilay mpitsabo. “Nisy fotoana nangataka taminay tompon-trano mba hanitarana efitra iray ny trano io mpitsabo io”, hoy ny loharanom-baovao. Kasainy havadika ho hopitaly mihitsy io toerana io taty aoriana. Manana toeram-pitsaboana CSB namboarin’ny fitondram-panjakana anefa ny ankamaroan’ireo fokontany anatin’ny kaominina.
Tsiferana R.