Bajaj : Tsy tokony handeha amin’ny lalam-pirenena

Nampahatsiahy ny tomponandraikitry ny fitaterana an-tanety mahakasika ny asa fitaterana ataon’ireo kodiaran-telo mitatitra olona sy entana. Araka ny naoty 01/MTM/DGT/DTT, tamin’ny 04/01/2021, manambara fa voarara ny fandehanan’ny fiarakodia kodiaran-telo eny amin’ny lalam-pirenena ivelan’ny tanàna, ny lalana maro mpifamoivoy, lalana fandehanana haingana…
Ny naoty 014/MTM/SG/DGTT/DTR, tamin’ny 30/09/2024, milaza fa ny fiarakodia kodiaran-telo manao asa fitaterana olona dia mila mahafeno ireo fepetra efa napetraka. Tsy main­tsy manana fahazoan-dalana mivezivezy avy amin’ny Ivontoerana fitsarana fiarakodia, tokony hanana ny laharana mazava avy amin’ny “Centre immatriculateur”. Manampy ireo ny fananana taratasy fiantohana avy amin’ny orinasa na trano fiantohana ara-dalàna ary ny carte fiscale avy amin’ny ivontoerana fandoavan-ketra.
Ho an’ny mpamily kosa dia tsy maintsy feno 18 taona fara fahakeliny, manana taratasy fahazoan-dalana hamily mifanaraka amin’ny fiarakodia izay hoentiny. Mahafehy sy manaja antsakany sy andavany ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana.
Ho an’ny mpandeha, tsy maintsy manaja ny isa azon’ny fiarakodia hoentina, araka izay voalaza ao anatin’ny “Carte grise”.

Tatiana A

Partager sur: