Asa goavana no miandry an’i Corentin Da Silva Martins, mpanazatra ny Barea de Madagasca. Miisa 6 ireo fihaonana goavana hatrehiny amin’ity taona ity. Lalao hiadiana ny tapakila “Mondial 2026”.
Tsy misy fotoana hipetrapetrahana amin’ity taona 2025 ity ho an’ny mpanazatra vaovaon’ny Barea de Madagascar, i Corentin Da Silva Martins. Miisa 6 be izao ireo lalao hisedrana sy miandry azy. Fifanintsanana ho an’ny fiadian-toerana ho an’ny “Mondial 2026” ao anatin’ny vondrona “I”, misy an’I Madagasikara.
Akaiky indrindra amin’izany ny fifanandrinana amin’ny Repoblikan’i Centrafrique. Fihaonana hotanterahina ao amin’ny Complexe sportif Barthélemy Bongoda, ny 21 marsa ho avy izao. Lalao tafiditra amin’ny andro fahenina.
Telo andro aorian’io, ny 24 marsa, hampiantrano ny Kintana maintin’i Ghana etsy Mahamasina ny ekipan’i Martins, eo amin’ny andro fahenina hatrany. Hatao eto Madagasikara avokoa ny andro fahafito sy fahavalo, ka handraisana an’i Centrafrique, ny 5 septambra ary i Tchad, ny 8 septambra.
Any ivelany daholo kosa ireo ambin-dalao roa farany. Anisan’ny goavana amin’izany ny hanafihana an’i Comores ny 10 oktobra ary hifanandrinana amin’i Mali ny 13 oktobra. Laharana fahatelo ny Barea de Madagascar taorian’ny fahavitan’ny andro efatra. Manana isa 7 rehefa nahazo fandresena roa sy ady sahala iray ary faharesena iray.
Ho fanomanana ireo, tsy niandry ela fa ny sabotsy sy ny alahady lasa teo dia efa nijery ireo lalao ara-pirahalahiana nataon’ireo ekipa ao anatin’ny PFL ny tenany.
Tsiahivina fa ny alakamisy 30 janoary teo no voatendry i Corentin Martins, ary herintaona ny fifanarahana aminy. Ny hahatafita ny Barea de Madagascar any amin’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany “Mondial 2026” no andrasana aminy.
Tompondaka