Fako havadika Biogazy

Ankoatra ny fanodinana ny akora plastika, anisan’ny Toe­karena mihodina ihany koa ny fanodinana ny akora voajanahary ho vokatra hafa vaovao. Toy ny fanodinana azy ireny ho entona (gazy) ho lasa angovo, na ho saribao ekolojika, handrahoan-tsakafo.
Misy ny tetikasa TWENex, miompana amin’ny fikarohana sy ny fanavaozana mahakasika ny fanajana ny tontolo iainana. Tafiditra ao anatin’izany ny fananganana Ivontoera-pikarohana, eny Alakamisy Fenoarivo, Foibem-pirenena misahana ny fikarohana in­dostrialy sy ny teknolojia (CNRIT). Ahitana laboratoara sy fanodinana ny fako ao an-tokantrano ho lasa entona Biogazy sy saribao ekolojika. Manana hadiry 90 m3 ny sinibe manokana (Biodigesteur) hitahirizana ny entona Biogazy azo.
Tombony lehibe ny fisian’ ity foibe ity, satria manome asa ny mponina manodidina sy manampy ny fidiram-bolan’ny isan-tokantrano amin’ny famatsiana ny akora, fako. Mampiroborobo ny famokarana maitso sy ny Toekarena mihodina.
Mandray anjara amin’ny fiatrehana ny fiovan’ny toetr’andro. Mampihena ny fandripahana ny ala vokatry ny fanaovana saribao fandrehitra mahazatra. Mihena koa ny famokarana entona mangeja ny hafanana (GES) manimba ny habakabaka.
Iarahan’ny Vaomieran’ny ranomasimbe Indiana (COI), ny foibe Mauritius Research and Innovation Council (MRIC) manantontosa ny tetikasa TWENex. Tohanan’ny OEACP sy ny Vondrona Eoropeana.

Partager sur: