Tao amin’ny kaominina ambanivohitra Namohoro Iaborano, distrikan’i Farafangana no nanokafana ny taom-pambolen-kazo ho an’ity taona 2025 ity, ho an’ny faritra Atsimo Atsinanana, ny faran’ny herinandro teo.
5 000 isa ny zana-kazo novolena tamin’izany, hamerenana indray ny fitazomana ny nofon-tany sy hiarovana ireo loharano. Nahitana hazo hintsy, kanely, accacia, baie rose ary freines ireo nambolena. 3 000 ha ny velaran-tany hotratrarina volena hazo ao Atsimo Atsinanana, amin’ity taona ity.
Anisan’ny kaominina tsy dia nahitana doro tanety ny tao Namohoro Iaborano ka izay no nisafidianana azy isantarana ny asa. Paikady vaovao no nampiharina ho fiarahan’ny rehetra mientana amin’ny fiarovana ny zana-kazo sy ny ala. Nampandraisina anjara tamin’ny fambolen-kazo ny Ampanjaka, tangalamena, lonaky, ny fiangonana ary ireo miady amin’ny afo.
Nifanaiky ny rehetra ny amin’ny hampiharana ny lalàna tsy misy indra fo, amin’ireo tratra mandoro ala sy manimba tontolo iainana.
Hijery akaiky ny fiarovana ny tontolo iainana an-tanàn-dehibe ny tomponandraikitra. Hampirisika ny fampiasana akora manalefaka ny fiovan’ny toetr’andro na arina ekolojika sy fatana mitsitsy.
Nifarimbona tamin’ny fambolen-kazo ny prefektiora, Reminantenaina Herman, ny governora mpisolo toerana, Rajaobelina Gerard, ary ny talem-paritry ny Tontolo iainana, Amyot Kofoky. Nanampy izany ireo tetikasa miasa amin’ny fiarovana ny tontolo iainana.
Tatiana A