Mitondra aina vao ho an’ny teatra ny « Temps Fort Théatre ». Hiditra amin’ny andiany faharoa izany amin’ity, ka andrasana ireo tetikasa mahaliana rehetra, mba hahatomombana ny hetsika.
Hotontosaina ny volana marsa izao ny andiany faharoa amin’ny « Festival Temps Fort Théatre », na ny TFT. Ho fanomanana izany, mba ho tsaratsara kokoa noho ny andiany voalohany, miantso ireo mpisehatra amin’ny teatra, ka manana tetikasa mahaliana ny Institut Français de Madagascar na ny IFM. Hifantoka amin’ny lohahevitra « Cultiver Demain » ny hetsika amin’ity, andrasana ireo tetikasa teatraly maneho ny zava-misy ankehitriny sy manokatra mankany amin’ny hoavy mamiratra. Mety hiresaka ny tanjona amin’ny tontolo iainana, ny fiovaovan’ny toetr’andro, ny firidan’ny niomerika, ny fanatontoloana, sns, izany. Rehefa anatin’ny lohahevitra mikatsaka ny ampitso ho tsara kokoa. Karazana teatra mampiaty, mora raisin’ny besinimaro, mitondra zava-baovao ary mampandray anjara no tena katsahina havoakan’ireo mpisehatra. Araka izany, tsara raha amin’ny teny malagasy sy frantsay no hanaovana azy. Manana hatramin’ny 14 febroary izao ireo kaompania, na mpisehatra liana te handefa ny sanganasany handray anjara amin’ity hetsika ity.
Raha hiverenana kely, hetsika natao hanome aina vao ny teatra eto Madagasikara ny TFT. Mitovy amin’ny “Temps Fort Danse”, izay nanasongadinan’ny IFM ny dihy. Ny maha samihafa azy, misy lohahevitra miova isaky ny andiany, natao mba hitondran’ny teatra ny anjarany amin’ny fampandrosoana ny maha olona. Nampiaina ny fivoaran’ny teatra nandritra ny taona maro nidirany teto Madagasikara ny andiany voalohany tamin’ny taon-dasa. Nandray anjara mantsy ny Tropy Jeannette, izay tropy zokiny indrindra mbola misy amin’ izao fotoana izao. Teo koa anefa ireo manao ny teatra ankehitriny, izay endri-tseho hafa mihitsy raha oharina amin’ ireo teatra klasika, mitsinjarazara sy misy hira mandravaka. Marihina fa andro maromaro ny hetsika, ankoatra ny seho teatraly isan-karazany, misy koa ny atrikasa sy velakevitra mandritra izany.
Zo ny Aina