Filoha Rajoelina Andry: «Hanampy anareo ben’ny Tanàna aho»

Hanampy ireo ben’ny Tanàna ny fitondram-panjakana amin’ny fanatanterahana ny asa fampandrosoana miantefa any amin’ny vahoaka sy ilain’ny vahoaka ao anatin’ny fe-potoam-piasan’izy ireo.

“Natao ny fifidianana, ary matoa ianareo lany dia ankasitrahan’ny vahoaka, mamim-bahoaka, voafidim-bahoaka, indrindra miandrandra fampandrosoana avy aminareo ny vahoaka izay iantsorohanareo ny adidy masina eo anivon’ny kaominina misy anareo tsirairay avy”. Io ny hafatra ho an’ ireo ben’ny Tanàna vao voa­fidy nataon’ny filohan’ny Re­poblika, Rajoelina Andry, tany Tanambe, Ampafarafaravola, faritra Alaotra Mangoro, omaly. Hetsika nanombohana ny fizarana masomboly safiotra sy zezika ho an’ny tantsaha amin’ny fanatanterahana ny tetikasa fanovana amin’ny alalan’ny fambolena. Nitso­drano ireo ben’ny Tanàna tsirairay avy hahaleo hahalasana: hiasa ho an’ny vahoaka, hanompo ho an’ny vahoaka, hanasoa ny vahoaka indrindra indrindra.

Ny tiany hananan’ireo ben’ny Tanàna ny fahendrena. Voalohany, ny fandraisana andraikitra. Faharoa, hanampy ireo ben’ny Tanàna ny fitondram-panjakana amin’ny fanatanterahana ny asa fampandrosoana rehetra, izay hiantefa any amin’ny vahoaka sy ilain’ny vahoaka ao anatin’ny fe-potoam-pitondran’ireo ben’ny Tanàna tsirairay avy. Hojerena ny fotodrafitrasa ilaina sy ampiasaina any amin’ny faritra Alaotra Mangoro, araka ny nambarany. Ilaina ho fantatra, ohatra: inona avy ny tohodrano tokony hatao any amin’ ny kaominina misy an’ireo ben’ny Tanàna tsirairay avy? Hatao izany. Mila hatao ny fivoriana ny amin’izany, ary hatao ny lisitra. Miaraka amin’ ireo depiote sy ny loholona ireo ben’ny Tanàna amin’izany. Hapetraka ao anatin’ny tetibolam-panjakana izany, satria laharam-pahamehana.

R. Nd.

Partager sur: