Tsy manavaka! Niatrika ny lanonam-panokafana ny fifaninanana baolina kitra, « Tournoi depiote Fidy », teny amin’ ny Kianja Soavaly, fokontany Fiadanana Soanerana, ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena (MJS), i Moustapha Abdulah Marson, afakomaly. Hetsika karakarain’ ny solombavambahoaka voafidy teny amin’ny boriborintany fahefatra, Rafidimanana Désiré.
Tsiahivina fa ao anatin’ny Politikan’ny filoham-pirenena, Rajoelina Andry, ny fanatanjahantena manakaiky vahoaka. Izay no antony anaovana ity fifanintsanana ity. Miisa 32 ireo ekipa mandray anjara amin’ity baolim-pokontany ity. Marihina fa ny fanokafana ihany no natao teny Fiadanana, fa hiparitaka eny amin’ ny kianja Anosizato sy Anosipatrana ihany koa izany.
Nanamafy ny minisitra fa tsy hisy ho diso anjara amin’ny fampiroboroboana ny fanatanjahantena sy ny fampivelarana ny tanora ny eto an-drenivohitra, na ny any ambanivohitra. Ankoatra ny baolina kitra, hisy ihany koa ny fifanintsanana amin’ny taranja hafa toy ny lalao rugby, adin’ akoho ary ny tsipy kanetibe.
Fitia Randria