Madagascar Airlines: Hiverina ny sidina Paris-Antananarivo

Hiverina hanao sidina iraisam-pirenena, mampitohy an’i Paris sy Antananarivo, ny kaompania Madagascar Airlines amin’ny alalan’ny fifanarahana « codeshare » iarahany amin’ny Air France. Manan-kery manomboka androany ny tolotra. Noho izany, afaka mametraka ny kaodiny ao amin’ny kaompania Air France amin’ny laharana MD 7050 ireo mpandeha ny sidina Antananarivo-Paris an’ny kaompania malagasy. Raha toa MD 7051 kosa ny kaody hanaovana izany ho an’ny fiverenana miainga avy any Paris mihazo an’Antananarivo, araka ny fampitam-baovao nataon’ny orinasa.
Tombony ho an’ny kaompaniam-pitaterana ana habakabaka malagasy izao fifanaraham-piaraha-miasa izao. Hisy ny sidina efatra na dimy isan-kerinandro hataony izay tafiditra ao anatin’ny fifanarahana « IATA Winter 2024 ». Tafakatra hatrany amin’ny fito isan-kerinandro kosa izany ho an’ny « IATA Summer 2025 ».
Ankoatra izay, afaka mihazo toerana 10 ao Eoropa ihany koa ny mpandeha ny kaompania amin’ny alalan’ny takapila iray izay vidiany. Anisan’izany i Marseille, Lyon, Milan, Francfort, Barcelone, ​​​​Berlin, Budapest, Prague, Sofia ary Bucarest. Izay mbola ao anatin’ny fifanarahana « codeshare » hatrany.
« Manamarika dingana goavana ho an’i Madagascar Airlines ity fiaraha-miasa stratejika iarahany amin’ny Air France ity. Ahafahan’ny orinasa manao tolotra mendrika sy mifaninana amin’ny hafa ary mahafa-po ny mpandeha, fa indrindra mametraka ny anarany eo amin’ny tsena eoropeanina izany », hoy ny Tale jeneralin’ny kaompania, i Thierry De Bailleul.
Tsiahivina fa nampiato vonjimaika ny sidina iraisam-pirenena nanomboka ny volana novambra 2023 ny kaompania fa nifantoka kokoa amin’ny sidina anatiny nentina hanarenana ny orinasa. Tafapetraka tamin’izay ny drafitra « Phenix 2030 » hitondrana ny kaompania.

Henintsoa H.

Partager sur: