Hapetraka ny paikady hampiroboroboana ny Toekarena mihodina. Voakasik’ izany ny firenena manamorona sy ireo Nosy aty amin’ny ranomasimbe Indianina.
Fomba famokarana sy fanjifana hifampizarana sady hanodinana indray ny akora efa niasa ny atao hoe Toekarena mihodina. Tanjona ny hitazonana sy hampaharitra ny fisiany sady hampisy vidiny azy indray, ka hampihena ny fampiasana akora fototra sy hampitombo ny fako. Izany hoe, tsy toy ny famokarana mahazatra, mifototra amin’ny lalan-tsaina « mandray, mamokatra, manjifa, manary ». Efa maro ny orinasa na fikambanana misehatra amin’izany, toy ny fanodinana ny akora plastika efa niasa ho lasa vokatra vaovao hafa indray.
Natao ny 27 sy 28 janoary 2025 teo, tatsy Port Louis Maorisy, ny atrikasa nankatoavana ny fanitsiana ny Drafitrasa mahakasika ny Toekarena mihodina (économie circulaire). Nandray anjara ny Vaomiera toekarenan’ny Firenena mikambana aty Afrika (CEA), ny Vaomieran’ny Vondrona afrikanina (CUA) ary ny Vaomieran’ny ranomasimbe Indianina (COI).
Voakasik’izany ny hanohanana ny finiavana ho an’ny Toekarena manga sy iombonan’ny firenena aty Afrika manamorona sy ireo Nosy aty amin’ny ranomasimbe Indianina. Tanjona ny hampifanaraka sy hanamafy ny fiaraha-miombon’antoka ireo mpisehatra rehetra aty amin’ny faritra, mba hampahomby ny drafitrasa nofaritana.
Fiatrehana ny fiovan’ny toetr’andro
Ho an’ny CEA, fotoana fanararaotan’ireo firenena voakasika ny fiampitana any amin’ny Toekarena mihodina. Satria, hampiroborobo ny toekarena sady hampaharitra ny tontolo iainana sy hiatrehana maharitra ny fiovan’ny toetr’andro izany.
Haseho sy hampahafantarin’ny mpikarakara amin’ny mpisehatra rehetra ny Drafitrasa ho an’ny Toekarena mihodina sy manga.
Njaka Andriantefiarinesy