SOMBIM-BAOVAO

Hanatanteraka fivoriambe ny eo anivon’ny Federasiona malagasin’ny taranja Jiu-jitsu Brezi­liana, ny 15 febroary izao. Efa fanao isan-taona izy ity, hanaovana tatitra ny asa vita nandritra ny taona. Eo koa ny hilazana ny fandaharam-potoana rehetra ho amin’ny taom-pikatrohana 2025.

Hatao ny 1 hatramin’ny 15 aogositra, any Maha­­janga, ny fifaninanana nasionaly eo anivon’ny Asief (Association sportive interministérielle pour l’entretien des fonctionnaires), taona 2025. Hisy ny lalao hifanandrinan’ny ekipan’ny Asief sy ny governemanta amin’ity indray mitoraka ity, raha ny fandaharam-potoana.

Notontosaina nanomboka ny sabotsy lasa teo, tetsy amin’ny ANS Ampefiloha, ny fampivondronana ny ekipam-pirenena malagasy, taranja tolona, sokajy zandriny U23, lahy sy vavy. Tsiahivina fa hiatrika ny fifaninanana afrikanina izy ireo ny volana marsa ho avy izao ka izay no antony isian’ity fanomanan-tena ity.

Ho fanomanana ny fifaninanam-pirenena taranja baolina kitra, “Pureplay Football League (PFL)”, nisy ny lalao ara-pirahalahiana nataon’ny CFFA, ny alahady lasa teo, teny amin’ny Kianja manara-penitra Tsi­roa­­nomandidy. Nahazo fandresena 6 no ho 3 nanoloana ny ekipa voafantin’i Bongolava ny mpilalaon’An­doha­ranofotsy tamin’io. Tsiahivina fa hanomboka ny faran’ny herinandro ho avy izao ny PFL.

Partager sur: