“Ny hoavin’ny famoaham-boky – Vina toa inona no azon’ny Malagasy mpanoratra nofinofisina amin’ny 2030?”. Io ny lohahevitry ny savaravina am-pamoloana, hotontosaina rahampitso, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany, etsy amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy. Hanasana ireo mpanoratra sy mpisehatra rehetra eo amin’ny tontolon’ny boky izany.
Mbola maro ny Malagasy tsy mahalala ny zava-kantony. Na, mety mahalala ihany fa mampifangaro izany amin’ny an’ny hafa. Mety noho ny tsy fahampiana eo amin’ireny zavakanto malagasy ireny ve? Mety ho tsy fahampian’ny fahalalana eo amin’ireo ambara ho mpanakanto ve? Mety ho izy roa mitambatra ve? Mila fanarenana goavana amin’ny alalan’ny fikarohana ny Malagasy « mpanakanto ». Mila mikaroka!
“Comédie Show”, eny amin’ny Craam Ankatso. Hanokatra ity andiam-pampisehoana ity i Sombiniaina Fotsiny, ny sabotsy 15 febroary izao, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro. Hitondra karazana hatsikana maro sy amin’ny endriny vaovao izy mandritra izany. Fanomezana sehatra ireo mpanakanto an-dalana mankany amin’ny laza rahateo ny eny.
Papa Joh & Band indray no hanafana ny sehatry ny No Comment Bar Isoraka, rahampitso. Hitondra ny “ritsoka système”, araka ny hamaritany ny mozika hataony izy, ho an’ireo liana te haheno zava-baovao. Toerana natao indrindra ho an’ireo manana mozika miavaka hozaraina rahateo ao, ary tsy misy vidim-pidirana izany.