Sompitr’i Madagasikara ny faritra Alaotra Mangoro, antony nanokafan’ny filoham-pirenena ny fizarana hanam-pamokarana sy masomboly vary safiotra teny amin’ny Kianja maitson’ny kaominina Tanambe, distrika Amparafaravola, omaly.
Mpamokatra miisa 1 400, ao amin’ny distrik’Amparafaravola, nisitraka masomboly avy amin’ny filoham-pirenena anatin’ny tetikasa fanovana ny fomba fambolena sy fampitomboana ny vokatra eto amintsika. Miisa 12 ny faritra hanaovana ny tetikasa vary safiotra ka nanombohana izany ny tao Alaotra Mangoro, Vakinankaratra, Amoron’i Mania, izay mbola azo hambolena tsara amin’izao fotoana izao. Hanomboka tsy ho ela ihany koa ny fizarana masomboly ho an’ireo faritra hafa toa an’Ambatosoa, Atsimo andrefana, Analanjirofo, Atsinanana, Sofia, Sava, Betsiboka, Melaky ary Menabe. Ao anatin’ireo tolotra nomena ny tantsaha ny masomboly 25kg/ ha sy ny zezika NPK milanja 350 kg ho an’ireo tantsaha manana velaran-tany 1ha. Hanavotra haingana ny taom-pamokaram-bary 2025 ireto masomboly sy zezika ireto noho izy mamokatra anatin’ny fotoana fohy, 90 ka hatramin’ny 110 andro. Noho izany, hampiakatra 7 ka hatramin’ny 12 t/ha ny voly vary safiotra amin’ny alalan’ny fametrahana rafi-pambolena vaovao, raha toa ka 3 ka hatramin’ny 4 t/ha ny voka-bary amin’izao fotoana.
Fampitaovana
Ankoatra izay, hanafatra fitotoam-bary moderina ho an’ny kaoperativa ny fitondram-panjakana mba hampihena ny vokatra izay very ao anatin’ny fitotoam-bary. Haparitaka manerana ny Nosy koa ireo fitaovam-pamokarana maro samihafa. « Tanjona ny fahavitan-tena ara-tsakafo, indrindra ny fahavitan-tena ara-bary ka hanatrarantsika 50 000 ha ny vokatra amin’izao tetikasa izao », hoy ny filoha, Rajoelina Andry. Hatao laharam-pahamehana ny tontolo ambanivohitra ka tanjona ny hahazoana akotry 1 tapitrisa t isan-taona, hialana amin’ny fanafaram-bary, araka ny nambarany.
Ankilany, hametraka ozinina mpamokatra zezika i Madagasikara hampihenana 50 ka hatramin’ny 60 t isan-jato ny zezika hovidian’ireo tantsaha.
Henintsoa Hani