TSELATRA

Roa lahy namaky orinasa teny Ivandry nalefa eny Antanimora, omaly. Nanaovan’izy ireo latsak’alina, lasany ny tablette niampy camera, hatramin’ny akora fa­namboarana trano, toy “carreaux”. Niroso tamin’ny fikarohana ny polisy ka tratra ny roa lahy tompon’antoka. Nahi­tana ny entana halatra rahateo tany amin’ny trano fonenan’izy ireo.
Jiolahy nikasa hanendaka sady handroba moto tra-tehaky ny polisim-pirenena teny Ampefiloha, afako­maly. Nambanany vy maranitra ilay mpitondra moto. Sendra nandalo ny polisy mpanao fisafoana ka noraisim-potsiny io olon-dratsy io.
Notazomina vonjimaika atao famotorana ny vadin’ilay miaramila maty novonoin’ny valilahiny teny Bejofo Mahitsy, afakomaly. Nozerain’io valilahiny io famaky ilay miaramila ka maty. Nandositra ny fiaran’ny mpitandro filaminana nisambotra azy ilay nahavanon-doza ka namoy ny ainy rehefa voatifitra.
Vehivavy 25 taona hita faty tao Fort-Dauphin, omaly maraina. Nozahan’ny mpitsabo, vonoan’olona no nahafaty io vehivavy io. Nentina nihazo ny tranom-paty ny vatana mangatsiakan’ilay vehivavy. Miroso amin’ny fanadihadiana izao raharaha izao ny mpitandro filaminana.

Partager sur: