VAOVAO TAMBATRA

Misokatra ny fisoratana anarana handrafetana ny ekipa malagasy ho an’ny “First Global Cha­llenge 2025”. Fifaninanana iraisam-pirenena mamory tanora malagasy 13 ka hatramin’ny 17 taona, mbola mpianatra manam-pahaizana mahakasika ny robotika. Manana anjara toerana lehibe amin’ny fampandrosoana ny toekarena eto amitsika ny fisian’ny hetsika toy izao.

Manomboka amin’ny 34 106 ka hatramin’ny 63 949Ar ny kilaon’ny kafe robusta eto Madagasikara. Tombanana ho 300 000Ar ny vidin’ny iray gony (60 kilao) mandritra ny taom-pambolena 2024-2025. Mbola voafetra ny tombony azon’ireo mpamokatra noho ny fahasarotan’ny fidirana eo amin’ny tsena iraisam-pirenena sy ny vokatry ny fiovaovan’ny toetr’andro.

Tafakatra 45 000Ar ny kilaon’ny Cacao tsara kalitao any Ambanja, amin’izao fotoana. Nitombo avo roa heny ny vidiny raha toa ka 18 000 Ar izany tamin’ny taona 2023. Tombony ho an’ny tantsaha izao fiakaram-bidy izao raha sahirana kosa ireo mpandraharaha mampiasa ny vokatra ho akora fototra.

Nanome toky ny hihodinan’ny orinasa mpikirakira tantely ao Taolagnaro amin’ny volana marsa ny minisitry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra, nandritra ny fitsidihana nataony. Nojereny koa ny zava-misy ao amin’ny ozinina mpanodina fary ho siramamy ao Mahatalaky hamantarana ny antony tsy hahafahan’ny ozinina mamokatra.

Partager sur: