Ankoay : Hoavy ireo mpilaravinahitra

Miditra amin’ny fampivondronana mihidy eny amin’ny Cnaps Vontovorona, tamin’ity herinandro ity, ny ekipan’ny Ankoay, lehilahy, ho fanomanana ny dingana faran’ny fifanintsanana ho amin’ny “Afrobasket 2025”. Efa eny an-toerana avokoa ireo mpilalao eto an-toerana. Ny 11 febroary izao kosa no andrasana ny fahatongavan’ireo mpilalao mpilaravinahitra 5 mirahalahy hanatanteraka ny fampivondronana miaraka amin’ny namany eny Vontovorona. Mpilalao 5 mirahalahy, ahitana an’i Lahotan Rija, Rabibisoa Jerry Pépin, Mathias M’Madi, Randriamananjara Johan Andy ary Raharimanan­toanina Sitraka. Tsiahivina, mpilalao 18 no nantsoina hiatrika ny fampivondronana hitiliana izay handrafitra ny ekipam-pirenena malagasy Ankoay, ary efa mivondrona eny Vontovorona avokoa ny 13 mirahalahy ary izao andrasana izao ny fahatongavan’ireo mpilalao 5 ambiny ireo.
Mifantoka amin’ny fiarahana eny an-kianja sy fanamafisana taktika ny Ankoay amin’ity tapany faharoa amin’ny fanomanantena ity.

Mi.Raz

Partager sur: