Ilaina ny fanangonana ny antontanisa sy ny antontan-kevitra mahakasika ny lafiny toekarena sy sosialy. Manamora ny fanapahan-kevitra horaisina ny fananana azy.
Mivoatra ny sehatry ny antontam-baovao. Misy ankehitriny ny tahirim-baovao manangona ny antontan-kevitra sy ny antontanisa efa nisy hatramin’izay amin’ny lafiny toekarena sy sosialy eto amintsika. Hanampy ny tsirairay amin’ny fahazoana torohay sy vaovao ny vovonana “Portail économique et social de Madagascar” (PortES) tanterahan’ny minisiteran’ny Toekarena sy ny fitantanam-bola (MEF) sy ny Pnud. Sehatra handraisana fanapahan-kevitra azo antoka hampandrosoana ny firenena izy io ka mahasehaka lafiny maro momba ny firenena ny antontan-kevitra sy atontanisa ao anatiny. Tafiditra ao anatin’
izay ireo tondrozotra ara-toekarena sy sosialy. Izany hoe, fitaovana amondronana ireo angon-kevitra samihafa entina hampandrosoana ny firenena izy io «Hita ao anatin’ ny PortES avokoa ireo drafi-pampandrosoana efa nisy teto Madagasikara, ny sehatrasa sy ny seha-pamokarana isan-karazany», hoy ny Talen’ny fikarohana sy ny fandaharanasa eo anivon’ny MEF, Rakoto Andriamboavonjy Dimby.
Rafitra
Tombony ho an’ireo mpianatra, mpikaroka, mpampiasa vola sy tompona orinasa ary mpiara-miombon’antoka ity vovonana ity. Ahitana ireo angon-kevitra momba ny toekarem-pirenena, ny toekarem-paritra, ireo antontan-kevitra momba ny fandaharanasa ihany koa. Manampy ireo ny tohana ho an’ny fampandrosoana, ireo torohay momba ny rafitra misy ary ny fikarohana samihafa.
Ankoatra izay, mifanaraka amin’ny Politika ankapoben’ny fanjakana amin’ny fanatsarana ny fitantanana ny lalan-tsaina itondrana ny PortES. Mangarahara tanteraka izany ary mifanandrify amin’ny filan’ny rehetra.
Henintsoa Hani