… Rehefa tafiditry ny teknolojia ny fampitan-kafatra, nihena tsikelikely ny fahazotoan’ny olona hamaky boky. Ankehitriny, manazava indray ny mpikaroka fa « tsy mbola misy mahasolo ny boky. Noho izany, mila haverina amin’ny laoniny ny fampiasana azy ireny any an-tsekoly… ». Raha ny isan’ny boky lafo eny amin’ ny trano fivarotam-boky no natao mari-pandrefesana. Ny Malagasy no laharana voalohany (tia mamaky boky) taty Afrika, tany amin’ny taona 1970.
Ankoatra ny famerenana ny boky ho eny am-pelatanan’ny mpianatra. Mila velarina ny « Takalo boky ». Raha ny rafitra misy ankehitriny, any amin’ny fokontany sy ny kaominina no tokony hanatanterahina azy io. Mamorona toerana iray (efitrano any anivon’ny fokontany na kaominina) ahafahana mifanakalo boky. Mihaona ao, amina fotoana voatondro mazava (ohatra, isaky ny alarobia hariva), izay manana boky hatakalo. Fifanakalozana maro no ho vita amin’io fomba io. Ny boky rahateo misy karazany maro (tantara, siansa, kolontsaina, sns).
Ho an’ny Médiathèque IFM Madagascar etsy Analakely. Rahampitso 6 febroary manomboka amin’ny 9 ora maraina ka hatramin’ny 12 ora atoandro no hanatanterahin-dry zareo ny « Braderie de livres ». Hamidy amin’ny kilao ny boky ka ho ferana ny lanja azon’ny tsirairay vidiana.
HaRy Razafindrakoto