Mitentina 12,5 tapitrisa dolara ny tohana ara-bola omen’ny Banky afrikanina ho an’ny Fampandrosoana (Bad) sy ny Axian Telecom ho an’ny vehivavy mpandraharaha eto Madagasikara, Tanzanie ary Sénégal. Ny 10 tapitrisa dolara natao hanohanana ireo vehivavy malagasy mpandraharaha miisa 22 000 izay hampiasana ny Mvola. Natao ihany koa hanamorana ny fahazoan’ireo tolotra ara-bola sy fitaovana niomerika ilaina amin’ny fampiroboroboana ny seha-pihariany. Ankoatra izay, ampiasaina amin’ny fanabeazana ara-bola sy famatsiam-bola an’ireo orinasa miisa 34 000 amin’ireo firenena telo voalaza etsy ambony kosa ny vola 2,5 tapitrisa dolara. Tanjona ny hanohana ny vehivavy sy hampiditra ny fandraharahany eo amin’ny sehatry ny ara-dalàna. «Hampihenana ny elanelana amin’ny fisitrahana famatsiam-bola sy amin’ny fampiasana ny niomerika, indrindra ho an’ny vehivavy, ity famatsiam-bola ity», hoy ny filoha lefitry ny Bad, i Solomon Quaynor. «Hitondra vahaolana vaovao ihany koa ity fanohanana ity hanosehana ny fampiatiana ara-bola eto amin’ny kaontinanta afrikanina», hoy kosa ny Tale jeneralin’ny Axian Telecom, i Hassan Jaber.
Henintsoa H.