Niantso ireo mpanolotsaina ny ben’ny Tanànan’Antananarivo, Ramanantsoa Harilala, mba hikatsaka ny tombontsoa iombonana amin’izao fivorian’ny filankevitra monisipaly izao, ny alatsinainy teo, tetsy Analakely. Hotanterahina mandritra ity herinandro ity izany fivoriana izany.
Tokony ho lohalaharana amin’ny ady amin’ny kolikoly ny fitsarana, araka ny nambaran’ny minisitra Rakotomandimby Benjamin Alexis tamin’ny fananganan-tsaina teny amin’ny fitsarana an-tampony, Anosy, afakomaly. “Tsy azo iadian-kevitra ny fanatanterahana izany”, hoy izy. Nisaorany koa ireo mpitsara nanao tatitra momba ny zon’olombelona.
Tsy misy hifandraisany amin’ny asa fanaovan-gazety ny fiampangana an’i Fernand Cello, araka ny nambaran’ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina, Volamiranty Mara Donna. “Tsy mpiasa amina orinasa an-gazety sady tsy mpanao gazety izy ary tsy manana ny karatry ny OJM”, hoy izy. Malalaka ny fitsarana amin’ny asany, araka ny nambarany.
Nitaky ny ezaky ny fanjakana mba hanatsara hatrany ny fanjakana tsara tantana sy ny ady amin’ny kolikoly ireo iraky ny FMI nandalo teto amintsika. Anisan’ny nampirisihiny ho fanatsarana izany ny firosoana amin’ny fampiasana ny haitao ara-kajy mirindra. Hivoaka tsy ho ela ny tatitry ny dian’ireto iraka ireto amin’ny fahitany ny fitantanana ny firenena.