Fidinana ifotony teny Avaradrano: Haverina ny fitokisan’ny vahoaka ny Fananantany

Nidina ifotony teny amin’ny Biraon’ny fananantany sy ny fandrefesan-tany “Cirdoma” eny Avaradrano, ny delegasiona avy amin’ny minisite­ran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT), omaly. Nihaona sy ni­fampidinika tamin’ireo lehibe sy tomponandraikitra isan-to­kony eo anivon’ny Cirdoma izy ireo ka nitarika izany ny Tale jeneralin’ny Sampandrahara­han’ny fananantany sy ny fandrefesan-tany. Niatrika izany koa ireo Tale teknika samihafa eo anivon’izany sampandraharaha izany.
Nifampidinihina ny lesoka mila harenina sy ny lesona azo raisina amin’ny fomba fiasa amin’ny ankapobeny eo anivon’ny Cirdoma.
Nomena toromarika koa ireo mpiasa ho fanatsarana ny fomba fiasa eo anivon’ny sampandraharahan’ny fananantany sy ireo tale isan-tokony. Ta­fiditra amin’ny fanamafisana ny tanjon’ny minisitera (MFFT) amin’ny ady atao amin’ny kolikoly sy ny fangalaran-tany izany. Mazava ny nambaran’ny Tale jeneraly manoloana izany rehetra izany. “Hisy ny fiovana eo amin’ny fomba fiasan’ny mpiasan’ny fananantany eto Avaradrano. Anisan’ny tanjona amin’izany ny hamerenana ny fahatokisan’ny vahoaka ny sampandraharahan’ny fananantany sy ny fandrefesan-tany”, hoy izy. Amin’ny alalan’ny fanovana ny fomba fiasa sy fanatsarana ho an’ny tombontsoa iombonan’ny vahoaka izany, araka ny nambarany.

Synèse R.

Partager sur: