Navotsotry ny zandary, omaly, ireo mpampianatra roa, voasambotra nandritra ny hetsika fitakiana nataon’ny sendikà eo anivon’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, ny alatsinainy lasa teo. Tonga teny amin’ny Sampana fikarohana heloka bevava, eny Fiadanana, nanontany ny antony nisamborana ireo mpikambana roa lahy ireo sendikà, omaly. Fotoana nahafahana nanao ny hetsika firaisankina sendikaly, mba hitakiana ny fanajana ny zo sendikaly sy ny famoahana ireo roa lahy voasambotra.
« Fiahiana amin’ny fanohintohinana amin’ny resaka filaminam-bahoaka ny antony nisamborana azy ireo », hoy ny colonel Ravelomanana Tahiana, lehiben’ny Sampana fikarohana heloka bevava.
Nalefa any Bongolava ny iray hafa Ankoatra izay, nalefa any Bongolava ny mpampianatra iray hafa eo anivon’ny sendikàn’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena. Mba hanohizana ny fanadihadiana hatao ary hatolotra ny fitsarana any an-toerana ny antony raha ny fantatra. Nosamborina noho ny raharaha fanodinkodinam-bola izy io, raha ny fanazavana voaray. «Efa nokarohina nandritra ny fotoana ela izy io ary izao tratra izao », hoy ny lehiben’ny Sampana fikarohana heloka bevava etsy Fiadanana. Efa eny anivon’ny fampanoavana kosa ny fitanana an-tsoratra ireo mpampianatra telo nosamborina, miandry ny fiakaran’izy ireo fitsarana. Andrasana ny mety ho tohin’ny raharaha.
Mino