METFP : Zana-kazo 2 000 novolena

Nifarimbona tamin’ny fambolen-kazo tao Beronono, kaominina Imerintsiatosika, faritra Itasy ny minisiteran’ny Fam­pianarana teknika sy ny fanofanana arakasa niaraka tamin’ny minisitera delege misahana ny zandarimaria (MDG), ny fa­ran’ny herinandro teo.
« Tanjon’ny fanjakana ny handrakotra ala maitso an’i Ma­dagasikara. Fandraisana andraikitra amin’ny ady amin’ny fiovaovan’ny toetry ny andro, ady iraisan’ny rehetra no natao », hoy ny minisitra Marie Marcelline Rasoloarisoa. Ny hazo dia midika ho rano ary ny rano dia aina.
Misedra olana momba ny toetr’andro isika ary manana adidy hampianatra ny taranaka Malagasy ny minisitera ary ampiarahina amin’ny fanentanana hatrany amin’ny fikoloana ny tontolo iainana ny asa atao. Irariana mba handray andraikitra amin’izany ny rehetra.
Miisa 2 200 ny hazo novolen’ny minisiteran’ny Fampi­anarana teknika sy ny fanofanana arakasa, raha 6 000 kosa ny an’ny zandarimaria.
“Midika ho firaisankinan’ny governemanta izao fambolen-kazo izao satria fiaraha-mientan’ny rehetra”, hoy ny minisitra.

Tatiana A

Partager sur: