Nalahelo tamin’ny vokatra azony nandritra ny “Grand Slam de Paris”, taranja Judo, notontosaina ny faran’ny herinandro teo, Rasoanaivo Razafy Laura. “Resy noho ny fitsipika vaovaon’ny fitsarana aho ary tsy mbola azoko hatramin’izao ny antony naharesy ahy”. Io no voalohan-teniny vao vita ny ady natrehiny nanoloana ilay mpifanandrina taminy ary tena nandratra ny fony io vokatra io. Raha hiverenana ny zava-bitan’i Laura, tena nanantombo izy nanoloana an’i Myers Melissa (USA), izay laharana faha-65 maneran-tany. Efa nitarika isa 1 no ho 0 mihitsy aza i Laura, kanefa, araka ny fanapahan-kevitry ny mpitsara, resy tamin’ny minitra farany izy ary nivadika ho Ippon. Tsy nataony hahakivy azy anefa ny vokatra izay notsoriny fa tena nanao ny ezaka rehetra izy nanatsarany ny zava-bitany nihoatra noho ny tamin’ny taon-dasa. “Miatrika fiofanana sy fanazarantena iraisam-pirenena aho nanomboka omaly, ary hanarina izay lesoka rehetra”, hoy ny nohamafisin-dRasoanaivo Razafy Laura, Malagasy judokas, laharana faha-40 maneran-tany, eo amin’ny sokajy Seniors, latsaky ny 70 kg.
Tsiahivina, mbola manana fifaninanana iraisam-pirenena dimy eo i Laura, amin’ity taona 2025 ity, ary efa tafiditra sahady amin’ny fifanintsanana hahazoana ny tapakilan’ny Lalao Olympika izany. Tsy hataony ambanin-javatra ary tena hilofosany, araka izany, ny fifaninanana iraisam-pirenena rehetra mbola ho avy.
Mi.Raz