Sokajina mozika 26 no nalahatra amin’ity “RDJ Mozika 2024” ity. Ireo izay heverina fa mendrika nandeha tao amin’ny RDJ nandritra ny taona no mifaninana. Ho fantatra ny alahady izao ny valiny.
22 taona nisiana ny Radio des Jeunes na RDJ. Miditra amin’ny andiany faha-21 kosa ny “RDJ Mozika”. Natao hanasongadinana ny mozika malaza nandritra ny taona nivalona izy io, ka sokajiana arakaraka izay fironanana nisy nandritra io fotoana io ireo hira mifaninana. “Ny mozika mendrika no mifaninana. Ny mozika no omena mari-pankasitrahana, ary ao ambadik’izay ny asa goavana notontosain’ireo mpanakanto”, hoy Rasoloarijaona Tahiana, Tale jeneralin’ny RDJ, omaly, nandritra ny fampahafantarana ny “RDJ Mozika 2024”, tetsy amin’ ny Orange Digital Center, Soarano.
Sokajy 26 no navoakan’ny komity mpandrindra ao amin’ny RDJ tamin’ity andiany ity. Misy ireo sokajy efa nisy hatramin’izay, misy kosa ireo izay vao ifaninanana. Manaraka ny fironan’ny famoronana mozika izany, ka izay no antony tsy mampisy ireo sokajy sasany, izay nisafidianana taloha. Ireo hira nandeha tao amin’ny RDJ, ny 1 desambra 2023 hatramin’ ny 1 novambra 2024, izay hitan’ny komity fa nandeha sy be mpangataka indrindra no narafitra isan-tsokajy. Tsy ny teto Antananarivo ihany, fa manerana ireo faritra misy ny sampan’ ny RDJ, ka hatrany ivelany izany satria mandeha ana habaka ihany koa ny onjam-peo.
Niova ny fitsipika hahafahana mifidy amin’ity. Ana habaka ihany, izany hoe, ao amin’ny tranokalan’ny RDJ ny fifidianana. Tsy misy intsony ny SMS, satria maro koa ireo mpankafy any ivelany no maniry handray anjara amin’ny fifidianana. Iray isaky ny mpampiasa ihany ny safidy manan-kery ary manana hatramin’ny zoma 7 febroary izao ireo mpifidy.
“Toy ny fanao isan-taona, hatao ny alahady 9 febroary izao ny lanonana, ao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, izay hahafantarana ny mendrika indrindra isan-tsokajy. Haka endrika fampisehoana izany, ary natao ho an’ny rehetra” hoy kosa, Rasoloarison Miora, tomponandraikitry ny hetsika ao amin’ny RDJ. Ankoatra ireo sokajy 26, mbola hisy koa ny mari-pankasitrahana homena ireo mpanakanto mendrika, sy ny “Hiran’ny taona 2024”.
Zo ny Aina