Rivodoza : Ho levona an-tanety i Faida

Omaly maraina, tany amin’ ny manodidina ny 45 Km atsimo atsinanan’i Toamasina no nisy ny foiben’i Faida. Nihena hatrany ny heriny ka 40 Km/ ora ny rivotra miaraka aminy any an-dranomasina. Nikisaka nianandrefana somary atsimo andrefana izy ka mahafaka 8Km/ora.
Tombanana ho levona an-tanety, ao amin’ny ilany atsinanan’ny Nosy ao, izy ato anatin’ny 24 ora manaraka.
Noho ny tsiokan’ny talio izay mitoetra dia vinavinaina ho betsaka hatrany ny rotsakorana (mihoatra ny 100mm/ 24 ora) any amin’ny faritra avaratra andrefana. Misy ny fampitandremana mifanandrify amin’izay.
Foana avokoa ny filazana loza momba ny rivodoza voarain’ireo faritra sy distrika voakasik’izany.
Entanina ny mpampiasa ranomasina eo anelanelan’i Maroantsetra sy i Mananjary mbola tsy hiandriaka aloha, satria mikorontana ny toetry ny andro. Arahina mandrakariva ny toromarika omen’ny manam-pahefana isan-tokony.
Mila fahamailoana hatrany koa amin’ny fiakaran’ny rano vokatry ny rotsakorana, ho an’ny faritra Atsinanana, Sofia ary Betsiboka. Voakasik’izany ireo mipetraka manamorona ny reniranon’i Rianila, Ivondro, Onibe, Maningory, Betsiboka, Sofia, Mahavavy Atsimo sy Mahajamba ary ireo faritra iva.

Tatiana A

Partager sur: