Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy, omaly maraina, tao amin’ny trano fivorian’ny minisiteran’ny Foloalindahy (MFA), ny fivorian’ireo komity teknika mpanomana ny fahatsiarovana ny tolom-panafahana 29 marsa 1947.
Fankalazana ny faha-78 taona ny hetsi-panafahana ny amin’ity taona 2025 ity. Nanokatra ny fivoriana tamin’ny fomba ofisialy ny Sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Foloalindahy, ny amiraly Assany Bemarivo Jeannot. Nisy ny fanentanana ireo komity mba hiara-hiasa sy hifanome tanana ka hiray hina mba hahatontosa ny fanomanana rehetra, hampirindra ny hetsika. Nanome fanamarihana sy nizara soso-kevitra ny Tale jeneralin’ny rantsamangaikan’ny fiarovana, ny Jly Andriamasimanana William Michel, momba ny fikajiana sy fanatsarana ireo vakoka mifandray amin’ny 29 marsa. Nampitaina nandritra ny fivoriana nataon’ny komity fa hisy ny fivoriana hotanterahina isan-kerinandro eny amin’ny fitaleavan’ny mpiady tia tanindrazana (DCN) eo anivon’ny MFA Analakely mandra-pahatongan’ny ivon’ny fankalazana, ny 29 marsa. Natsangana ity fitaleavana ity ho mpiahy ireo mpiady Tia tanindrazana niady ho an’ny Fahaleovantenan’i Madagasikara. Izy ihany koa no handrindra sy hanatontosa ireo hetsi-pahatsiarovana io daty io, isan-taona, ka mitarika ity komity iraisan’ny andrimpanjakana mikarakara ny fankalazana ity. « Ilaina ny fandraisan’anjara mavitriky ny rehetra mba hampiakatra avo hatrany ny lentan’ny fankalazana, ka tsy ho anaran-tsy very fotsiny izany tolom-panafahana izany. Ho velona ao am-pon’ny Malagasy rehetra tsy ankanavaka », hoy ny Talen’ny mpiady tia tanindrazana, ny Jly Randrianantenaina Emilson.
Jean Claude