Afaka madiodio ilay nanolana sy namono zaza 11 taona tany Fianarantsoa, taorian’ny fitsarana azy tany an-toerana, omaly. Torana tampoka ny renin’ilay zaza rehefa nahare izany. Tezitra mafy koa ny fokonolona nanoloana izany, ka saika hanao fitsaram-bahoaka ireo olona nahavanon-doza. Niditra an-tsehatra namaha ny hetsika ny avy eo anivon’ny zandary any an-toerana.
Nosamborin’ny zandary ireo sivy mirahalahy mpanao fifaninanana tsy ara-dalàna eny Mamamba, fokontany Amboaroy, kaominina Antehiroka, omaly. Naato sy nampitandremana izy ireo, tamin’izany. Naiditra am-balam-pamonjana kosa ireo moto nentin’izy ireo tsirairay avy. Nampianarina azy ireo ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana.
Fasana valo no vaky tany amin’ny toeram-pandevenana ao amin’ny fokontany Ampasy, kaominina Morondava. Nahatsikaritra izany ireo olona handeha handevina teny amin’ny manodidina, omaly. Niantso ny sefo fokontany tany an-toerana avy hatrany izy ireo mba hijery ny zava-misy. Lasan’ireo olon-dratsy, nandritra izany, avokoa ny mason’ireo razana tao am-pasana.
Noravana omaly maraina ny trano lehibe iray misy rihana sy efitra maro eny Ivato. Tranon’ny mpandraharaha iray eny an-toerana izy ireo. Tsy nisy ny fifampiresahana fa tonga dia noravana fotsiny ny trano sy ny tamboho. Tafiditra ao anatin’ny tetikasa fanamboaran-dalana, Rocade mankeny Ivato izy io ka mety ho antony nandravana izany.