VAOVAO TAMBATRA

Tsy tapaka fa misokatra ny fifamoivoizana amin’ny RN 2, mampitohy an’Antananarivo sy Toamasina, na teo aza ny fandalovan’ny rivodoza Faida. Mitohy, toraka izany koa, ny any amin’ny RN6, avy eto Antananarivo mankany Antsiranana. Hatreto, misy fifindrana fiara fitaterana eo amin’ny tetezana Efasy sy Mahavavy.

Fantarina ireo kaominina hotohanana amin’ny sehatry ny famokarana any amin’ny faritra Alaotra Mangoro. Hojerena ny tohodrano sy ny fotodrafitrasa mila fikojakojana sy fanarenana. Hofanina ihany koa ireo ben’ny Tanàna amin’ny lafiny fambolena. Natao ireo taorian’ny toromariky ny filoha Rajoelina Andry tany Alaotra ho an’ny minisiteran’ny Fambolena.

Manararaotra manetsa avokoa ny mpamboly vary amin’izao fiavian’ny orana izao na eo aza ny fahataran’ny orana. Ho tara ny famokarana sy ny fiakaram-bokatra ka ahina sahady ny hampiakatra indray ny vidim-bary eny an-tsena.

Voafaritra ny tondrozotra sy ireo dingana hampihodinana ny saha indostrialy eto Madagasikara. Nizara traikefa sy nandroso soso-kevitra iraisam-pirenena momba izany teto amintsika ny Onudi. Ilaina, araka izany, ny fomba iray hanodinana ny faritra fampiasam-bola na faritra ara-toekarena manokana na faritra malalaka na faritra fampiasam-bola indostrialy.

Partager sur: