Anjaramanantsoa Laza : “Mampalaina vahoaka ny fahasahiranana”

“Ny fahasahiranan’ny va­hoaka tsy ahazoany mieritreritra zavatra hafa heverina fa tsy ahitany tombontsoa no anisan’ny mampalaina vahoaka amin’ny Rale”, hoy ny olom-pirenena tsotra, anisan’ny hoe maro anisa mangina, i Anjaramanantsoa Laza Fa­nam­binana, ny amin’izay mety tsy mampahavitrika amin’ny Rale. Diso tafalentika lalina ao an-tsain’ny vahoaka koa ny fanaovana politika amin’ny fitantanam-panjakana. Lasa fivoizana hosoka sy hala-bato no nanjaka tamin’ny saim-bahoaka tamin’ ny tranga rehetra tamin’ny fifidianana. Manjary sakana mampalaina azy amin’ ny Rale izay. Ny ankamaroan’ny olom-pirenena amin’izao, na tafiditra ao anatin’ny lisitra na tsia: tsy miasa saina amin’ izany. Tsy ampy ny fampahafantarana ny zo fototra amin’ny maha olom-pirenena azy. Hadinony ny tena maha izy azy eo amin’ny firenena noho ny fahasahiranana. Manana andraikitra lehibe amin’izany ny fiarahamonina sivily, indrindra amin’ny fanentanana ny olona hahafantatra ny zo sy adidy amin’ny maha olom-pirenena azy. Fa tsy lasa mijabaka amin’ny raharaha politika… Tsy misy afa-tsy ny fampahafantarana ny olom-pirenena ny zo fototra momba ny raharaham-pifidianana no vahaolana. Ao anatin’izany ny Rale. Mpikarakara fifidianana ny Ceni ary mpanentana ny olom-pirenena. Tsy ampy izay fa mila miasa koa ny fiarahamonina sivily rehetra sy ny fitondram-panjakana.

Partager sur: