Fanavaozana ny lisi-pifidianana : Izay mahavita adidy no afa-mitaky tamberin’andraikitra

Ao anatin’ny fanavaozana isan-taona ny lisi-pifidianana izao. Mby aiza? Misy izay tsara ho fantatry ny olom-pirenena amin’izany, raha te hitaky tamberin’andraikitra. Fanadihadiana…

Tsy maintsy atao
isan-taona…

Ny lalàna 2018-008 no mamaritra fanavaozana isan-taona ny lisi-pifidianana na ny Révision annuelle de la liste électorale (Rale). Ny 1 desambra hatramin’ny 15 mey ny taona manaraka ny fanatanterahana azy. Ny 1 desambra hatramin’ny 15 febroary ny dingana voalohany. Ny 15 hatramin’ny 28 febroary any amin’ny foibe informatikan’ny distrika (Cid) ny fandraketana an-tsoratra. Dingana fahatelo, manomboka ny 1 marsa, arakaraka ny halaviran’ny toerana, no manamarina ny momba azy ny olom-pirenena: misy diso, tsy feno… Mivezivezy eo amin’ny Cid sy ny Ceni ny lisitry ny mpifidy ny 30 marsa hatramin’ny 15 mey. Ny amin’izay, misy mangataka ny hanitarana io datin’ny 30 marsa io hatramin’ny faran’ny avrily ny fiarahamonina sivily. Nalaky vitan’ny Ceni hoe herinandro, ohatra, ny fampidirana ireo naka ordonansa tamin’ny fifidianana kaominaly teo.

Fiahiahiana politika no nahatonga ny Rale

Taloha, tsy nikatona ny lisi-pifidianana fa nisokatra hatrany mandavantaona. Ola­na tamin’izay, mamoaka tarehimarika ny Ceni rehefa tonga ny fifidianana. Noho ny fiahiahian’ny antoko politika sasany, nisy fangatahana ny fanakatonana azy ary hasiana fanavaozana isan-taona. Na izany aza, efa nisy ny fangatahan’ny mpanara-maso fifidianana sasany fa tokony ho telo volana mialoha ny fifidianana no hanakatonana ny lisitra. Lava loatra ny fotoana ikatonany mitaha amin’ny fisokafany. Ny fisian’ny fahazoana mangataka ordonansa koa no mbola angatahin’ny sasany fanakatonana azy ho iray volana sy tapany mialoha ny fifidianana.
Fanapahan-kevitra politika ny ordonansa

Ny Ceni amin’ny alalan’ny mpanisa mpifidy no mitety ny isan-tokantrano amin’ny fanavaozana tanteraka ny lisi-pifidianana. Ny olom-pirenena no manatona ny rantsamangaikan’ny Ceni eny anivon’ny fokontany amin’ny Rale. Misy mahita ka milaza fa fanapahan-kevitra politika ny fahazoana mangataka ordonansa. Ny fisiana kandidà tsy voasoratra tao anatin’ny lisitra no antony. Araka ny lalàna, tsy afa-mirotsa-kofidina raha tsy ao anaty lisitra. Na izany aza, tsy azo foanana ny fangatahana ordonansa fa tokony hasiana famaritana. Tsy tokony hanozongozona ny fanatanterahana ny Rale ny ordonansa. Misy mihevitra fa rehefa tsy te hisoratra anarana amin’ny Rale dia mangataka ordonansa any amin’ny fitsarana rehefa tonga ny fifidianana.
Amin’izany rehetra izany, izay mahavita adidy no afa-mitaky tamberin’andraikitra. Tsy manan-jo hanao fitakiana momba ny fifidianana izay tsy voasoratra amin’ny lisi-pifidianana sy tsy nifidy: tsy afa-manao fitoriana, ohatra.

Nanatontosa R. Nd.

Partager sur: