Nandray ambasadaoro roa ny filoha Rajoelina Andry, omaly, teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha. Nivoitra tamin’izany ny fanohizana sy fanamafisana ny fiaraha-miasa amin’ny sehatra samihafa.
Anisan’ny masoivoho noraisin’ny filohan’ny Repoblika i Mette Sunnergren, hisahana an’i Madagasikara sy i Mozambika. Naneho ny fahavononany amin’ny fiaraha-miasa eo amin’ny sehatry ny angovo sy ny haitao ara-kajy mirindra “Digitalisation” ary koa ny fanodinana ny vokatra ara-pambolena izy ireo. “Nifampiresahana tamin’ny filohan’ny Repoblika ny ho fiaraha-miasa eo amin’ny sehatra tsy miankina sy ny fanjakana amin’ireo sehatra ireo”, hoy izy.
Etsy andaniny, naneho ny fahavononany ny hanamafy ny fiaraha-miasa sy hanohana ireo laharam-pahamehan’i Madagasikara koa ny firenena Suisse, amin’ny alalan’ny masoivohony, Stefano Toscano. Nanolotra ny taratasy manendry azy hiasa eto Madagasikara tamin’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, ny tenany. Noresahina nandritra izao fihaonana izao ireo seha-piaraha-miasa hitondra ainga vao eo amin’ny fifandraisana eo amin’ny firenena roa tonta. Anisan’izany ny lafiny fiarovana, ny fiahiana ny tontolo iainana. Eo koa ny fiatrehana ny fiovaovan’ny toetr’andro, anisan’ny ady iraisan’ny firenena maneran-tany.
Tsiahivina fa hiasa sy honina eto amintsika ity ambasadaoron’i Suisse ity.
Synèse R.