Nivory voalohany, araka ny fampiantsoan’ny Prefektioran’i Toamasina ny 3 febroary teo, ny filankevitry ny tanàna. Mbola voafidy fanindroany ho filoha Ilatsaka Ibrahim, avy amin’ny lisitry ny Irmar raha efa nitantana izany teo aloha. Nahazo ny isam-bato 10 ny tenany raha sivy kosa ny vaton’ny mpanolotsaina MTS, i Belahy Paul Henri. Voafidy ho filoha lefitra kosa Rasolonjatovo Fidel, avy amin’ny tsy miankina Rakotomanana Gervais. Tsy nisy mpifaninana izy. Voafidy ho mpampakateny voalohany ny avy amin’ny Irmar, Razanajatovo Simon, raha ny avy amin’ny MTS Firaisankina, Andrianarifera Malalaniaina, kosa ny mpampankateny faharoa.
Nanokatra tamin’ny fomba ofisialy izao fivoriana izao ny prefet an’ i Toamasina, Benandrasana Cyril, notronon’ny ben’ny Tanàna vaovao sady mpahay lalàna, Randriafanomezantsoa Lovaheritiana Alain. Nofaritan’ny Prefet tamin’izany ny lahadinika tokony hataon’ny filankevitra. Mitarika ny fivoriana ny zokiolona indrindra sy ny zandriolona hatramin’ny fahavitan’ny fifidianana ny birao. Miakatra avy eo ireo mpikambana efatra mandrafitra ny filankevitra, tarihin’ny filoha vaovao ary miroso amin’ny fandaharam-potoana manaraka ny lahadinika.
Tsiahivina fa manana mpanolotsaina miisa sivy ny Irmar raha miisa valo kosa ny Firaisankina. Samy manana mpanolotsaina iray avy ny kandida Rakotomanana Gervais sy Juvence. Miisa 19 izany ireo mpikambana mandrafitra ny filankevitry ny tanànan’i Toamasina.
Sajo sy Synèse R.