« Noho ny faharefoana ara-jeografika, misy foana ny traboina na dia tsy mahery aza ny rivodoza », hoy ny avy ao amin’ny BNGRC. Nisy ny olona tsy maintsy nafindra toerana: tokantrano miisa 123, ahitana olona 454. Trano 119 tena dibo-drano tanteraka. Ny tao Toliara I sy Fenoarivo Atsinanana no nahitana ireo traboina ireo.
Hahazo vahana ny tsiokan’ny talio any amin’ny tapany avaratra andrefan’ny Nosy. Tombanana ho betsaka ny rotsakorana amin’ireo toerana ireo (80 hatramin’ny 110mm izany ao anatin’ny 24 ora) hatramin’ny anio. Voakasik’izany ny faritra Boeny sy ny distrikan’Analalava, Besalampy ary Maintirano. Fampitandremana miloko mena ho an’ny faritra voakasika.
Natomboka tamin’ity herinandro ity, ny andiany faha-3 amin’ny fiofanana momba ny zaitra ho an’ireo vehivavy ao amin’ny fonjaben’Antanimora. Vehivavy 30 no nahazo tombontsoa tamin’ny fandaharanasa Fanarenana sy ny tetikasa Mikolo izay iarahan’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny minisiteran’ny Fitsarana.
Voarafitra ny lisitra nasionalin’ny fanafody sy ny kojakoja ara-pahasalamana tena fampiasa eny anivon’ny toeram-pitsaboana manerana ny Nosy, adiany faha-7, ny taona 2023. Hampiasaina mandritra ny taom-pikatrohana 2023-2026 izany lisitra izany. Hatao ny fanamparitahana izany lisitra nasionaly izany amin’ny fomba ofisialy.