Nanaovana fombafomba araka ny fanaon’ny mponina eny an-toerana ny fitadiavana ny nofo mangatsiakan’ilay tovolahy 23 taona, maty namono tena tao amin’ny ranon’Ikopa, teny Ambohitrimanjaka, ny alahady tamin’ny 8 ora alina lasa teo. Tonga teny amin’ny ranon’Ikopa ireo fianakaviana sy ny fokonolona nanatanteraka izany, ny alatsinainy maraina. Rehefa tsy nahita azy teny an-toerana ny alahady alina. Nalefa teny amin’ny rano ny vatan’akondro nasiana volamena, taorian’izay. Tsy nahitana razana anefa teo amin’ny faritra nijanonan’io vatan’akondro io, raha tokony hipoitra ny razana fotoana vitsy taorian’izany. Tsy nihonona fa niantso zanadrano enina nanatanteraka fombafomba hafa indray ireo fianakaviana tamin’ny 1ora tolakandro. Rehefa tsy nahita vokany nandritra ny tapany maraina tontolo. Nitsofoka tany anaty rano izy ireo, dimy minitra taorian’izay, nahita ny razana tao ambanin’ny rano ny zanadrano iray, tamin’ny 1 ora sy sasany tolakandro. Nampiakarina avy hatrany tao anaty rano ny razana. Misy lolo eny amin’iny rano iny amin’ireo olona mamono tena eny, noho ny antony maro samihafa. Fahadisoam-panantenana sy tahotra ny ray aman-dreny noho ny olana teo amin’ny olon-tiany ny antony namonoany tena, raha ny fanazavan’ny fianakavian’ny maty. Efa nalevina omaly kosa ny razana.
Mino