Efa nanomboka ny 3 febroary lasa teo ny fisoratana anarana amin’ny fifaninanana ara-panatanjahantena tanterahina mandritra ny « Rencontre nationale sportive » (RNS), taona 2025. Fifaninanana any Vichy, ny 19 hatramin’ny 21 avrily ho avy izao. Tsiahivina fa handray ny faha-50 taonany amin’ity taona ity ny RNS ka hiavaka sy hihatsara ny fifaninanana. Taranjam-panatanjahantena maro no hifaninanana, ahitana ny baolina kitra lalaovin’olona 11 sy lalaovin’olona 7, ny basikety lalaovin’olona 5 sy lalaovin’olona 3, ny volley-ball, ny tenisy ambony latabatra, ny tenisy, ny tsipy kanetibe. Hanampy ireo ny haiady maro samihafa, ny golf, ny lomano, ny fifaninanana dia an-tongotra, sy ny maro hafa. Manentana ny Malagasy sy izay mbola tsy manana ekipa ny mpikarakara hanangana izany ary hisoratra anarana. Hampiavaka ny hetsika koa ny fisian’ireo Malagasy mpanakanto maro hanafana sy hanolotra seho mandritra io telo andro io. Anisan’izany ry Viavy Chila, Elidiot, Smaven, Rijade sy ny maro hafa.
Hetsika efa fanao isan-taona ny RNS ary miezaka manatsara sy mitady izay hampiavaka izany hatrany ny mpikarakara.
Mi.Raz