Tafiditra ao anatin’ny politikan’ny Malagasy Rugby ny fampiroboroboana ny baolina lavalava eny ifotony. Araka izany, nanao fanambarana ny alatsinainy lasa teo, tao amin’ny tambanjotran-tseraserany ity rafitra voalohany miahy ny rugby eto Madagasikara ity. Manomboka izao, hatao anaty rafitra ara-dalàna ireo fikambanana rehetra na sekoly mampianatra sy mitaiza ankizy amin’ny baolina lavalava.
Atao ny fanisana azy ireo, manerana ny Nosy. Tsikaritra mantsy fa betsaka ireo mitonona ho sekolin’ny rugby saingy tsy manaraka ny lalàna akory ny ankamaroan’izy ireny ary tsy mijoro ara-panjakana. Tsy manana mpanazatra na mpampianatra matihanina sy niofana tamin’izany fa mpilalao tranainy na raiamandreny nanao rugby, no hany manabe azy ireo. Tsy ampy izany araka ny nambaran’ireo teknisianina eo anivon’ny Malagasy Rugby fa mila miditra ao anaty rafitra ara-dalàna. Takina amin’izy ireo ny anaran’ny fikambanana na sekoly, ny taona niforonany, ny mpanangana, ny anaran’ny mpanazatra, ny isan’ny ankizy beazina, ny kianja filalaovana ary ny adiresy. Tsy maintsy tonga mialoha ny 28 febroary izany.
Tompondaka